Matthew 22

1Niteny tamin’ny fanoharana tamin’izy ireo indray Jesosy, nanao hoe: 2“Ny fanjakan’ny Lanitra dia mitovy amin’ny mpanjaka izay nanomana fanasana amin’ny fampakaram-bady ho an’ny zanany lahy. 3Naniraka ireo mpanompony hiantso ireo izay nahazo fanasana hanatrika ny lanonam-pampakaram-bady izy, fa tsy nety ho avy izy ireo.

4Nandefa ireo mpanompony hafa indray ny mpanjaka, manao hoe: ‘Ilazao ireo izay nasaina hoe: “Jereo, efa nokarakaraiko ny sakafoko. Efa novonoina ny omby sy ny zanak’omby mifahiko, ary efa vonona ny zava-drehetra. Tongava ao amin’ny lanonam-pampakaram-bady.’”

5Saingy tsy niraharaha izy ireo ary lasa nandeha, ny iray namonjy ny toeram-piompiny, ny hafa tamin’ny raharaham-barony. 6Ireo sasany nisambotra ireo mpanompon’ny mpanjaka, nanala baraka azy ireo, ary namono azy ireo. 7Tezitra ny mpanjaka ka naniraka ireo miaramilany, ary namono mpamono olona ireo izy ireo, ary nandoro ny tanànany.

8Avy eo niteny tamin’ireo mpanompony izy hoe: ‘Efa vonona ny fampakaram-bady, fa ireo izay nasaina no tsy mendrika. 9Noho izany mandehana eny amin’ny sampanan-dalambe ary manasà olona maro araka izay hitanareo ho ao amin’ny lanonam-mpampakaram-bady.’ 10Nandeha nivoaka tany amin’ny lalan-dehibe ireo mpanompo ary nanambatra ny olona rehetra izay hitan’izy ireo, na ny tsara na ny ratsy. Noho izany dia feno vahiny ilay efi-trano lehibe nisy ny fampakaram-bady.

11Fa rehefa niditra ny mpanjaka mba hijery ireo vahiny, dia nahita lehilahy tsy nitafy akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady izy. 12Niteny taminy ny mpanjaka hoe: ‘Ry sakaiza, ahoana no idiranao ato tsy miaraka amin’ny fitafy fitondra amin’ny fampakaram-bady?’ Fa tsy nahateny ilay lehilahy.

13Avy eo niteny tamin’ireo mpanompony ny mpanjaka hoe: ‘Fehezo ny tanana sy ny tongotr’ity lehilahy ity, ary atsipazo any amin’ny maizina any ivelany izy, any no misy fitomaniana sy fikotroha-nify.’ 14Fa olona maro nantsoina, nefa vitsy no ho voafidy.

15Avy eo nandeha ireo Fariseo ary nanomana ny fomba mety hamandrihana an’i Jesosy amin’izay noteneniny. 16Avy eo nirahan’izy ireo ankany Aminy ireo mpianatr’izy ireo, niaraka tamin’ireo Herodiana. Niteny tamin’i Jesosy izy ireo hoe: “Ry mpampianatra, fantatray fa marina Ianao, ary mampianatra ny lalan’Andriamanitra amin’ny marina. Tsy miraharaha ny hevitry ny hafa Ianao, ary tsy mizaha mitanila. 17Noho izany lazao aminay, inona ny hevitrao? Ara-dalàna ve ny fandoavan-ketra any amin’i Kaisara sa tsia?”

18Nefa azon’i Jesosy ny faharatsian’ireo ka niteny hoe: “Nahoana no mitsapa Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy? 19Asehoy Ahy ny farantsa amin’ny hetra.” Avy eo nitondra denaria teo aminy izy ireo.

20Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “An’iza ity sary sy anarana ity?” 21Niteny taminy izy ireo hoe: “An’i Kaisara.” Avy eo Jesosy niteny azy ireo hoe: “Omeo an’i Kaisara ireo izay an’i Kaisara, ary an’Andriamanitra ireo izay an’Andriamanitra.” 22Rehefa nandre izany izy ireo, dia gaga. Ary niala teo Aminy izy ireo ka nandeha.

23Tamin’izay andro izay ihany ny Sadoseo sasany, ireo izay nilaza fa tsy misy fitsanganana amin’ny maty, nanatona Azy. Nanontany Azy izy ireo, 24nanao hoe: “Ry mpampianatra, Mosesy niteny hoe: ‘Raha maty ny olona, tsy manan-janaka, dia tokony hanambady ny vadiny ny rahalahiny ary hanan-janaka ho an’ny rahalahiny.

25Nisy mpirahalahy fito. Nanambady ny voalohany ary maty avy eo. Lasa tsy namela anaka, navelany ho an’ny rahalahiny ny vadiny. 26Avy eo nanao zavatra mitovy amin’izay ny faharoa, avy eo ny fahatelo, toy izany foana hatrany amin’ilay rahalahy fahafito. 27Taorian’izy rehetra ireo, dia maty ilay vehivavy. 28Ary amin’ny fitsanganan’ny maty, ho vadin’iza amin’ireo mpirahalahy fito izy? Fa efa nanambady azy izy rehetra ireo.”

29Fa namaly Jesosy ary niteny azy ireo hoe: “Diso ianareo, satria tsy mahafantatra ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra. 30Fa amin’ny fitsanganan’ny maty dia sady tsy hanambady izy ireo no tsy omena ampakarina. Fa kosa, mitovy amin’ireo anjely any an-danitra.

31Fa mahakasika ny fitsanganan’ny maty, mbola tsy novakianareo va izay nolazain’Andriamanitra taminareo, manao hoe: 32‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’Isaka, ary Andriamanitr’i Jakoba’? Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona.” 33Rehefa nandre izany ireo vahoaka, dia talanjona tamin’ny fampianarany.

34Fa rehefa rean’ireo Fariseo ny nampanginan’i Jesosy ny Sadoseo, dia niara-nivondrona izy ireo. 35Ny iray tamin’izy ireo, mpahay lalàna, nametra-panontaniana taminy, naka fanahy Azy hoe: 36“Ry mpampianatra, iza no lehibe indrindra amin’ny didy ao amin’ny lalàna?”

37Niteny taminy Jesosy hoe: “Tiavo amin’ny fonareo rehetra, amin’ny fanahinareo rehetra, ary amin’ny sainareo rehetra ny Tompo Andriamanitrareo.’ 38Izany no didy lehibe sy voalohany.

39Ary ny didy faharoa dia tahaka izany ihany: ‘Tiavo ny mpiara-belona aminareo tahaka ny tenanareo.’ 40Amin’ireo didy roa ireo no iankinan’ny lalàna manontolo sy ireo mpaminany.”

41Ary raha mbola niara-nivondrona ireo Fariseo, dia nametra-panontaniana azy ireo Jesosy. 42Hoy Izy hoe: “Inona no eritreritrareo momban’i Kristy? Zanaka lahin’iza Izy?” Niteny taminy ireo hoe: “zanak’i Davida.”

43Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Nahoana ary Davida mitoetra ao amin’ny Fanahy no miantso Azy hoe Tompo, manao hoe: 44‘Ny Tompo niteny tamin’ny Tompoko hoe: “Mipetraha eo amin’ny tanan’ankavanako, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongtrao?’

45Raha Davida aza miantso an’i Kristy hoe: ‘Tompo,’ dia ahoana no maha-zanak’i Davida Azy?” Tsy nisy nahavaly Azy tamin’ny teny, ary tsy nisy olona sahy nametra-panontaniana hafa intsony nanomboka tamin’izany andro izany.

46

Copyright information for PltULB